Nivory nandritra ny adin’ny 3 teny amin’ny CCI Ivato ireo solontenan’ny mpiasan’ny Air madagasikara sy Tsaradia ary ny filankevim-pitantanan’ny Air Madagascar.
Anisan’ny tazana teny Ramatoa Rinah Rakotomanga izay anisan’ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania Air Madagascar. Nisy ny solontena avy amin’ny Fanjakana Malagasy ihany koa. Fikaonan-doha nandinihana izay vahaolana hanarenana ny Air Madagascar io voalaza fa natao io. Mihevitra ireo mpiasa hoe azo atao tsara ny sady manohy miasa no mikaroka ny hevitra hanefa ny trosa baben’ity kaompania ity. Mahatoky noho izany ireo mpiasa fa ho tafiditra ao amin’ny fivorian’ny Filankevitry ny minisitra anio alarobia ny fandinihana ny fomba hanefana ny trosa baben’ny orinasa. Mbola baraingo tanteraka ny ho avin’ny Air Madagascar, ny sisin-tany hisokatra kanefa ny fiaramanidina afaka manao sidina lavitra aza tsy misy intsony, tapitra simba sy potika, ka fiaramanidina ATR iray na roa sisa velona. Ho an’ny Tsaradia dia vao ny zoma teo no nisy olana nahemotra ny sidina izay nifamohafaho tanteraka ny hoe: resaka karaman’ny mpanamory tsy voaloa sa noho ny fiaramanidina mbola nisy nilan’ny Fanjakana azy ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.