Actualités

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Mandŕ ny hisoratra anarana ny tantsaha any Manakara


  • Alarobia 13 Jolay 2011

Vitsy dia vitsy ireo tantsaha no manaiky hosoratana ao amin’ny lisi-pifidianana vaovao izay ataon’ireo mpiadidy fifidianana any amin’ny Kaominina ambanivohitra ao anatin’ny Distrikan’i Manakara noho ny tsy fahafantaran’izy ireo ny antony handraisana ny anarany ao anatin’ny taratasy fanisam-bahoaka.

 Misy amin’ireo tantsaha tsy dia mahalala taratasy firy mantsy no mihevitra fa efa ao anaty lisitra izy ireo tamin’ny fifidianana natao farany teo ka heverin’izy ireo ho zavatra hafa ity atao ity. Ohatra amin’izany ny resaka ady tany izay mbola betsaka any amin’ny faritra, eo ihany koa ny tsy filazana ny zavatra tian’ny fanjakana hotratrarina amin’izao fanavaozana lisitra izao ka miala tsy te hosoratana ao anatin’izany lisitra izany ireo tantsaha ireo. Vokatr’io dia misy Kaominina iray ao anatin’ny Distrikan’i Manakara izay ahitana Fokontany nanana mpifidy 580 tamin’iny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin’ny novambra 2010 iny nefa amin’izao fanavaozana lisi-pifidianana 2011 izao dia tsy manana mpifidy afa-tsy 120 fotsiny. Ny antony dia tsy mety hosoratana anaty lisitra vaovao ny ankamaroan’ireo olona ampy taona ao anatin’io Fokontany io. Tsy tafita any amin’izy ireo ny hafatra.

 

Hyace R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT