Actualités

Fanatsarana ny fomba fiasa Zandary 44 nahavita fiofanana manokana


  • Sabotsy 04 Jona 2016

Tontosa omaly zoma tao amin‘ny « salle d’honneur » Toby Ratsimandrava ny famoahana ireo mpianatra andiany fahafito “ brevet de specialité du 1er degré chancellerie”.

 

 Miisa 44 mirahalahy ireo mpiofana, izay nisafidy ny anarana ho “andiany  Chance”. Naharitra efa-bolana sy 19 andro ny fiofanana izay nanomboka ny 15 janoary 2016. Tanjona ny hahatonga ireto zandary ireto ho matihanina eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny mpiasa na “gestion des ressources humaines ». Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny jeneraly Rabehajasoa Andrianarivo Christian lehiben’ny Etamazaoro eo anivon’ny foibem-pibaikoan’ny zandarimariam-pirenena. Nohamafisiny nandritra ny lahateniny ny hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny zandarimariam-pirenena amin’ny fahitany ny hatsaran’ny kalitaon’ny asa hasehon’ireto zandary avy niofana ireto eny amin’ny sehatra misy azy ireo tsirairay avy manerana ny Nosy. Mitaky ezaka maro anefa izany, hoy ihany izy. Anisany ny ady amin’ny kolikoly, eo ihany koa ny fanajana sy fanarahana an-tsakany sy an-davany ny fitsipi-pifehezana, izay mbola nohamafisina mafy nandritra ity fiofanana ity mba hirazotra amin’ny vina izay napetraka. Marihana fa taorian’izao fiofanana manokana izao dia hanaraka ny fiofanana ara-miaramila hahazoana ny galona ho zandary prinsipaly any amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena Moramanga izy ireo  aoriana kely.

 

Nangonin’i RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT