Nolanian’ny Solombavambahoaka omaly talata faha 08 desambra 2020 ny
Volavolan-dalàna laharana faha 019/2020, findramam-bola entina manatanteraka ny « digitalisation » na ny fampidirana ny olom-pirenena tsirairay anaty « base de données » mikasika ny sata sivily antsoina hoe PRODIGY (Projet du Gouvernement Digital et de Gestion de l’Identité Malagasy). Izany dia ho ampiasaina amin’ny fikirakirana ny kopia, kara-panondro, fisotroan-dronono, fifidianana,… Mitentina 140.000.000 dolara ny findramam-bola ny hoenti-manatontosa io PRODIGY io, izay iarahana amin’ny IDA, rafitra iray ao amin'ny Banky iraisam-pirenena. Nisy ny fanamarihana sy fanitsiana vitsivitsy nataon’ireo solombavambahoaka izay noraisin'ireo avy ao amin'ny Ministeran'ny ny Toe-karena rehefa vita ny tatitra. Nialoha io, dia nolanian’ny Solombavambahoaka ihany koa ny Volavolan-dalàna fandravonana ny tetibola taona 2017, izay fanehoana ny zava-bita nampiasana ny tetibola teo amin’ny fampandrosoana ny firenena. 4,3% ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena tamin’ny 2007, raha toa ka 4,5% ny vinan’ny LFI 2017. Tahan’ny fisondrotry ny vidim-piainana miohatra amin’ny harin-karena faove PIB dia 9% raha 7,1% ny vina LFI 2017; 57,30 % tamin’ny tanjona napetraka no tratra raha 36,54% no tsy vita, hoy ny tatitra. Nanamarika ny teknisiana avy ao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola fa na ambany aza io taha io dia nahitana fiakarany raha ampitahaina tamin’ny taona 2015 sy 2016. Ny seha-pamokarana faharoa sy fahatelo no nahatratra ny vina napetraky ny LFI raha tsy nahatratra izany ny seha-pamokarana voalohany, raha ny fanazavana. Nahomby kokoa izany Fanjakana Rajaonarimampianina, raha ampitahaina ny amin’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.