Actualités

Fanatanjahantena - Fifaninanana goavana Tsy tazana indray ny minisitra Botralahy


  • Alakamisy 05 Jolay 2012

Dia tena mbola ampiharin’ny minisitry ny fanatanjahantena Malagasy am-perinasa, Atoa Botralahy Gérard, ny teny nataony tany am-pandraisana ny asany tany am-boalohany manao hoe : tsy laharam-pahamehana amiko ny fanatanjahantena.

Na dia anisan’ny fifaninanana goavana indrindra aty Afrika aza izany CAN izany dia tsy mba anisan’ny tonga nanotrona ny lalao tetsy Mahamasina ny lehilahy omaly na ho fankaherezana ny federasiona sy ireo tanora mpilalao rugby miaro ny voninahitry ny firenena fotsiny aza. Dia tsy mba misy manoro hevitra azy ve ireo mpanolotsaina sy mpikambana ao amin’ny kabinetrany iray manontolo ?

Raha ny vaovao azo farany, taorian’ny filazan’Atoa Monja Roindefo filohan’ny antoko Monima tamin’ny mpanao gazety ny amin’ny fanesorana azy tsy ho minisitra atolotr’ity antoko ity intsony, dia mbola mihazohazo ao an-dapan’Ambohitsorohitra ao ny fanapahan-kevitra amin’izany fanalana azy izany na dia efa fantatra tamin’io fotoana io ihany koa aza ny anaran’ny olona hasolon’ny antoko azy. Tetsy amin’ny tribune Mahamasina dia ny praiminisitra FAT teo aloha Albert Camille Vital sy ny PDS Edgard Razafindravahy no teo ankavia sy ankavanan-dRajoelina. Tsy lavitra azy teo ny minisitry ny fitaterana, Ramanantsoa Benjamina Ramarcel. Tsy tazana kosa ny Praiminisitra Hajo Andrianainarivelo izay fatra-panampy ny taranja lavalava.

Rainilita
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT