Nomarihina nanomboka omaly alarobia 13 jolay tetsy amin’ny hotel Carlton ilay hetsika fandraisan’andraikitry ny orinasa ara-piarahamonina, haharitra roa andro.
Ho an’ny orinasa Star manokana dia fantatra fa zavatra efatra loha no hiompanan’ny asa fanampiana ny mpiara-belona tanterahin’izy ireo izay handaniany 1 miliara Ar isan-taona dia ny lafiny ara-pahasalamana, ny sosialy, ny fanabeazana ary ny tontolo iainana. Tanjon’ny orinasa ny hanatsara hatrany ny fari-piainan’ireo malagasy sahirana ara-pivelomana amin’ny alalan’ny fanohanana ireo tetikasa misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina. Tafiditra ao anatin’izany ny fizarana ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro, ny bodofotsy, ny famatsiana rano fisotro madio eny anivon’ny fokontany niaraka tamin’ny Foundation Coca Cola. Tsy latsa-danja amin’izany ny lafiny ara-pahasalamana nanampiana ny hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalana, ny fanolorana couveuse ho an’ny hopitaly Befelatanana. Toraka izany koa ny sehatry ny fanabeazana izay hanoloran’izy ireo kits scolaires miisa 500 isan-taona ho an’ny ankizy madinika, ny fanohanana ny fanamboarana ireo sekoly ambaratonga mila fanavaozana…Mandray anjara mavitrika amin’ny politikam-pampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena ihany koa izy ireo. Anisan’ireny ny fiaraha-miasa amin’ireo tantsaha any amin’ny Faritra Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary Haute Matsiatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.