Notontosaina ny 18 jolay 2022 teo ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy sy ny tetikasa Mionjo hanarenana ny tontolo iainana any amin’ny faritra atsimon’ny nosy
niarahana tamin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana Lovainjafy, Vina Marie-Orléa, sy ny solontena maharitry ny banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Marie-Chantal Uwanyiligira, ny solontenan’ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny mpandrina nasionalin’ny tetikasa Mionjo, raha ny fampitam-baovao voaray. Mitentina 25 tapitrisa dolara ity famatsiam-bola ity izay vatsian’ny banky iraisampirenena, hoy ny fanazavana. Hisehatra manokana amin’ny ady amin’ny haintany, ny ady amin’ny faharipahan’ny ala, ny fanatanterahana fambolen-kazo midadasika ary ny ady amin’ny «tiomena» ny tetikasa Mionjo ka isan’ny tanjona napetraka ny fanaovana « fixation de dunes » mirefy 3000 ha, fametrahana “brise-vent” mirefy 168 km, fametrahana tanin-janakazo afaka mamokatra zanakazo miisa 2.500.000 miaraka amin’ny fametrahana vovon-drano hanondrahana ireo zanakazo, fanatanterahana fambolen-kazo mirefy 1 500ha, fanohanana ny “cantonnement” MEDD. Miisa 1.400.000 ny mponina hisitraka mivantana ny tombotsoa azo avy amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity ary ankizy sy vehivavy no maro an’isa amin’izany. Faritra miisa 3 no voakasiky ny tetikasa dia ny Anôsy, Androy ary Atsimo Andrefana ary hisandrahaka amin’ny kaominina miisa 235. 4 taona no hiasan’ny tetikasa dingana voalohany na “phase 1”, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.