Nifamotoana teny amin’ny «Espace Dera» Tsiadana omaly ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Fiadidiana ny kaominina
Antananarivo Renivohitra notarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Atrikasa nandrefesana ireo fampianarana sy fampiofanana nomen’ny antoko Tiako I Madagasikara ireo olom-boafidy sy olom-boatendry mialohan’ny fanatontosana ireo asa fampandrosoana. Nisongadina tamin’izany ny jery todika mikasika ireo andraikitra efa tontosa miaraka amin’ireo vokatra eny anivon’ny fiarahamonina. Fotoana ihany koa moa izy io nanoloran’ireo ekipa isaky ny boriboritany enina ireo karazana tetikasa samihafa ilaina mifanaraka amin’ny fanarenana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Mbola maro rahateo ny adidy miandry takiana amin’ny fanatsaràna ny renivohitr’i Madagasikara. Fanombohana ihany izao fiaraha-mientana eo anivon’ny mpitantana ny CUA izao, araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Tanjona mantsy ny hanentana ny vahoaka eny ifotony handray anjara mavitrika amin’ny famerenana ny hasin’ny tanànan’Iarivo. Betsaka moa ireo paikady sy fomba tsotra azon’ny olom-pirenena tsirairay atao ahatongavana amin’ny maha tanàna filamatra an’Antananarivo Renivohitra. Tsy nataon’ny mpitantana ny kaominina ho sakana rahateo ny resaka hoenti-manana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.