Fanarenana an’Antananarivo

> Nanome 50 tapitrisa Ar ny Jovenna hanadiovana ny tanŕna


  • Talata 18 Martsa 2014

Ny orinasa vahiny Jovenna no nisantatra ny fanampiana ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra taorian’ny antso fifanomezan-tanana ho fanarenana ny tanŕna nataon’ny Filohan’ny delegasiona manokana Ny Hasina Andriamanjato.

Ho fandraisana anjara amin’ny fanadiovana ny renivohitra dia tonga nanolotra ny taratasim-bola mitentina 50 tapitrisa Ariary tamin’ny PDS niaraka tamin’ny ekipany tao amin’ny Lapàn’ny Tanàna omaly alatsinainy 17 martsa 2014 folak’andro ny filohan’ny Filankevi-pitantanana Jacques Saint Olive sy ny tale jeneraly Benjamin Memmi avy ao amin’io orinasa mpaninjara solika io. Fitia tsy mba hetra tafiditra ao amin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina moa no nosokajian’ny roa tonta ity hetsika santatra ity. Raha ny kajikajy tsotsotra fanampim-panazavana azo tena an-toerana moa dia mahatratra 18.000 litatra ny gazoala sandan’izany maribola fanomezana ho fanangonana ireo karazana fako manenika ny Boriborintany enina izany izay ahafahan’ny fiarabe misahana ny fanangonana ireo loto miasa mandritra ny 15 andro. Nanamarika kosa ny PDS Ny Hasina Andriamanjato fa efa maro ireo mpandraharaha malala-tanana nampanantena ny fahavononan’izy ireo hanampy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy ho ela fa ny alakamisy ho avy izao dia ho avy indray ny fanampiana manaraka raha ny fanazavany. Fotoana ihany koa io hamelabelaran’ny Filohan’ny delegasiona manokan’Antananarivo Renivohitra ny fandaharan’asany ao anatin’ny enim-bolana, araka ny fanampim-panazavana nentiny. Inoana fa dia ho nofy ratsy sisa ireo fako misavovona manerana ny tanàna afaka fotoana vitsy.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT