Actualités

Fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy Miha mahazo vahana eto Madagasikara


  • Zoma 03 Jona 2022

Nanaovana ady hevitra lehibe tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina omaly ny mikasika ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mihamahazo vahana ity tranga mampalahelo ity eto amintsika

izay tsy mijanona eo amin’ny fihetsika ivelany ihany fa tonga hatrany amin’ny fitrandrahana ireny ankizy ireny any anaty tambazotran-tserasera mihitsy. Anisan’ny miady mafy amin’izany ny Ecpat France Madagascar izay nikarakara ity ady hevitra ity omaly, notronin’ireo mpiara-miombon’antoka maro isan-tsokajiny. Anisan’ny novohaboasana nandritra izany ny fitadiavana paikady hahafahana mamongotra tanteraka ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy. Hevitra nivoaka araka izany ny tokony hampiroboroboana ny mahalahy sy ny mahavavy ho fanajana ny zon’ny ankizy, ireto farany izay ho avin’ny firenena. Nambaran’ny dokotera Annick Randriamaro izay talen’ny Ecpat France Madagascar , nitarika ity dinika an-databatra boribory ity fa betsaka ny ezaka efa natao raha ho azy ireo manokana. Anisan’ireny ny fandravana ireo sakana ara-pomban-drazana izay manao tsinontsinona ny vehivavy, ny fampitana haingana ny vaovao mba hahazoan’ny rehetra fahalalana, ny falana ireo karazana hevi-draikitra mikasika ny fahitana ny vehivavy toy ny hoe : fanaka malemy… Toerana miisa 5 moa no niasan’ny Ecpat izay marihina fa nametrahany Club d’enfant , namboleny fiaraha-miasa tamin’ny sekoly…. ihany koa hahafahan’izy ireny manohy hatrany ny asa nosahanin’ny Ecpat. Loha-hevitra noraisina tamin’ity hetsika ity moa ny hoe : “Hofoanako ny herisetra, mba handrosoana!”.
Pati
Legende : Ny dokotera Annick Randriamaro, talen’ny Ecpat France Madagascar niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT