Actualités

Fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy Hanaovana ny ezaka ny ady hatao aminy, hanampy ny ONUDC


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Nandray ny an’Atoa Neil Walsh, solontenan’ny birao rezionalin’ny ofisin’ny firenena mikambana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina sy ny helokabe vava ho an’i Afrika Atsinanana na ny ONUDC ROEA ny jeneraly

 Serge Gelle, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarinariam-pirenena omaly. Teny amin’ny biraony teny Betongolo no nanatanterahany izany. Niompana tamin’ny fifanakalozan-kevitra manoloana ny tetikasan’ny ONUDC ny fihaonan’ny roa tonta nandritra izany ka anisan’ireny ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy mitranga eto Madagasikara, ny fizahantany mamoafady, ny fiparitahan’ny zva-mahadomelina eny anivon’ny sekoly sy eny amin’ny faritra iva, ny heloka be vava, ny famarinan’olona, ny resaka tsy fandriampahalemana, ny resaka fahasalamana, …Haravona ao anatin’izany avokoa ireo filan’ny governemanta Malagasy mba hahafahana mitady vahaolana….Nambaran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa tena mila izany fiaraha-miasa izany ny fitondram-panjakana Malagasy. Zava-dehibe ho anay hoy izy ny fisian’ny ONUDC miara-miasa aminay hahafahana miady amin’ireo olon-dratsy manimba ny taranaka faramandimby. Hohampiharina eto amintsika araka izany io tetikasa io.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT