Actualités

Fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy 2 isam-bolana ireo no manatona ny Ecpat France


  • Zoma 26 Novambra 2021

Mirongatra ny fanararaotana mamoafady hatao amin’ny ankizy indrindra fa amin’ny tambajotran-tserasera amin’izao raha araka ny fanazavan’ny Ecpat France omaly notarihin’ny taleny Dr Annick Randriarimanana

. Ireo ankizy any amin’ny faritra sendra ireo mpizahantany vahiny no tena miharitra izany raha araka ny fantatra indrindra fa ireo mampiasa internet. Misy ihany koa ireo hamporisihin’ny manodidina azy hivaro-tena tsotra izao. Roa isam-bolana araka izany ireo ankizy tonga mitaraina ao amin’izy ireo raha kely ankoatra ireo matahotra ka tsy mahasahy mitoroka. Manoloana izany dia hisy ny hetsika goavana hotanterahin’ny Ecpat France rahampitso etsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hiarovana ny zon’ny ankizy izay homarihina anio zoma 26 Novambra izany. Tanjona ny hahafahana manova ny fihetsika sy ny fijerin’ny manodidina ireo ankizy tsy manan-tsiny manoloana ny filan-dratsiny indrindra amin’izao vanim-potoana mampahazo vahana ny teknolojia izao.
Pati
Legende : Dr Annick Randriarimanana, Talen’ny Ecpat France !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT