Actualités

Fanararaotana amin’ny vidim-bary Akatona ireo tsena mafy loha


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Tranga hita rehefa avy mandalo manao fitsirihana ny mpiasan` ny minisiteran`

 

 

 

ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana (MICA) ny mampiakatra vidim-bary. Manamafy kosa ny minisitra Lantosoa Rakotomalala, ny sabotsy lasa teo, fa mety hiafara amin`ny fanakatonana tsena ny tsy fanajàna ny vidim-bary ho 550 ariary amin` ireo tsena mpaninjara sy ny tsena madinika. “Ny ahafahana mametraka vidin` ny entana dia ny fijerena ireo dingana antanan-tohatra samihafa. Rehefa natao ny fifanarahana dia mipetraka ny vidin` ny vary eny amin` ny mpanafatra, ny mpaninjara ary ny mpivarotra madinika ahafahana mametraka vidim-bary mari-toerana” hoy ihany izy. Manoloana izany dia hamafisina ny fiarahamiasa amin` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ka handray anjara amin`ny fanaovana tatitra sy fandraisana andraikitra ireo lehiben` ny tsena.Tsara ho marihana ihany koa anefa fa tsy Antananarivo renivohitra irery no ahitana vidim-bary midangana fa efa tena ny faritra 22 manerana ny nosy, ka tsara mametraka paikady mahomby isaky ny distrika sy ny kaominina izany ka mampiasa ireny antsoina hoe fitaleavam-paritra ireny ny ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny asa tanana fa tsy hoe an-tanan-dehibe fotsiny no be fihetsiketsehana avoaka amin’ny filazam-baovao.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT