Actualités

Fanaraha-mason’ny minisiteran’ny varotra Tsy nampiova ny vidin’entana


  • Talata 09 Aogositra 2016

Tsy nisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny varotra amin’ny fanaraha-maso sy fisavana ireo mpivarotra mpamongady. Amin’ny ankapobeny,

         tsy nahitana fihenana ny vidin’ny PPN fa vao mainka midangana. Hentitra anefa ny tompon’andraikitra tamin’ny fanambarana ny hisian’ny fanaraha-maso sy ny fanasaziana ireo mpamongady manararaotra manafina ny tahirin’entana ary manondrotra ny vidin’izany avy eo. Mampametra-panontaniana ny zava-misy hoe: tsy nanao ny asany ve ny Ministeran’ny varotra fa resaka entina hampandriana adrisa fotsiny no natao ? Tsy nisy rahateo ny tatitra sy ny vokatry ny fitsirihana natao na dia vonjimaika aza. Manitikitika ny sain’ny vahoaka ihany koa ny hoe: ny mpamongady mihintsy ve no tena tompon’antoka amin’izao fidangan’ny vidi-piainana izao? Raha ny fahitana azy dia ny finiavan’ny mpitondra no tsy ampy na tsy misy mihintsy aza fa toa resaka ambony latabatra no betsaka. Ny vahoaka anefa efa latsaka ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahasahiranana. Ho avy izao ny fidiran’ny mpianatra kanefa niakatra 10% farafahakeliny ny fitaovam-pianarana. Ny saram-pisoratana anarana tsy mbola misy tokotaniny. Raha izao zava-misy izao no tsy tsy misy vahaolana aroson’ny fanjakana dia ho maro amin’ireo sekoly no hikatona noho tsy fananan’ny Malagasy vola hampianaran-janaka intsony satria ny hanin-ko hanina aza tsy misy.

                                                                                                                      Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT