Raha ny tarehimarika teo anivon’ny polisy misahana ny sisintany sy ny fanaraha-maso ireo vahiny ary ny fifindra-monina ao Toamasina, dia niisa 344 ny pasipaoro nozarain’izy ireo ny taona lasa 2013 iny. Resaka asa, fianarana ary hamonjy olon-tiana any ivelany ny ankamaroan’ny antony anamboaran’olona pasipaoro. Ny taona nivalona iny ihany koa dia nahatratra 3.606 ireo vahiny mpizahatany tonga teo anivon’ny seranam-piaramadinina Ambalamanasy sy teo anivon’ny seranan-tsambo nosahanin’izy ireo tamin’ny fanomezana “Visa”. Nisy vazaha frantsay roa kosa noroahina fa lany fetr’andro ny fahazoan-dalan’izy ireo niditra an’i Madagasikara.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.