"Fanjakana manakaiky vahoaka", "asa mendrika ho an'ny rehetra" no isan'ny anjona namerahana ireo fitaovana ara-informatika sy ny rindrambaiko na"logiciel AUGURE",
izay fiaraha-miasa amin'ny vondrona Eoropeanina mba hanatsarana ny fikirakirana ny mpiasam-panjakana rehetra, mba tsy hisiana intsony ny gaboraraka satria dia vola mitentina miliara maro no vola very amin'ny fanjakana noho ireo izay lazaina fa mpiasam-panjakana tsy hita soritra na "mpiasam-panjakana matoatoa" raha ny filaza miitatra, .Napetraka manerana ny faritra roa amby roampolo (22) eto Madagasikara ireto fitaovana ireto mba hanaraha-maso akaiky ny fitantanana ny asam-panjakana aty amin'ny faritra ka hifandraika mivantana amin'ny aty anivon'ny Minisitera foibe. Vita manontolo ihany koa ny fampiofanana ireo teknisianina rehetra voakasika mivantana fa hampiasa ireo fitaovana sy ity rindram-baiko vaovao "AUGURE 2.0" ity manerana ny nosy, hoy ny Minisiteran’ny asa sy ny fampanan’asa ary ny lalàna sosialy. Tonga nametraka ireo fitaovana ireo, tao amin'ny fitaleavam-paritra Boeny ny Minisitra Ramatoa Gisèle Ranampy, ary niezaka nihaona sy nifampizara tamin'ireo mpiasa aty an-toerana nihaino sy nifanakalo hevitra tamin'izy ireo ho fanatsarana hatrany ny fitantanana sy fanatsarana ny Asam-panjakana ny faran’ny herinandro teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.