Fanaraha-maso ny fifidianana

> Am-perinasa ny iraky ny Vondrona Eoropeanina


  • Alakamisy 10 Oktobra 2013

Am-perinasa nanomboka ny alarobia teo ny mpanaramaso avy amin’ny Vondrona Eoropeanina misahana ny Faritra Atsinanana, mijery sy mandray an-tsoratra ny fanomanana sy ny fikarakarana ataon’ny Malagasy ny fifidianana.

Manomboka amin’ny lisi-pifidianana izay mifarana omaly, ny fampielezan-kevitra … no hojeren’izy ireo araka ny fanazavan’Atoa Mahavimbina Alain. Ankoatra izay dia mbola maro ny ezaka hatao ao Toamasina mikasika ny resa-pifidianana. Mahatsapa ny rehetra fa tena tsy mivolon’androm-pifidianana ny tanàna. Mbola maro koa ireo olona tsy mino ny hahavitana ny fifidianana amin’ity taona ity, ary mbola tena olana amin’ny mpifidy ny mikasika ilay vato tokana hanaovana ny latsa-bato noho ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fampianarana. Manampy trotraka ireo ny tsy fahalalan’ny maro ireo kandida hirotsaka izay miisa 33, ka betsaka ny mametra-panontaniana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT