Noho ny fandavany ny didy jadona dia very asa tsy fidiny ny mpiasa Malagasy miisa 11 tao amina Zone Franche iray ao Antsirabe.
Fitazonana vozon’akanjo mpiasa Malagasy iray, nataon’ny lehibeny, izay teratany Maorisianina, no niatombohan’ny raharaha ny 17 novambra 2012. Malaza ho mpietraketraka ity vahiny ity satria efa mpikasi-tanana ireo mpiasa eo ambany fahefany matetika izy. Na teo aza izany fihetsiny izany dia mangina foana ireo voadaroka. Tsy nanaiky kosa anefa ilay notazoniny vozon’akanjo fa nitory azy. Rehefa niakatra fampanoavana ny raharaha dia nampidirin’ny fitsarana MD tao amin’ny fonjan’Antsirabe ilay Maorisianina ny 29 desambra 2012 saingy nahazo LP na fahafahana vonjimaika izy ny 04 janoary. Voaheloka hamita sazy mihatra iray volana an-tranomaizina kosa anefa izy, araka ny didim-pitsarana nivoaka ny 24 janoary teo.
Tsy niatrika ny fitsarana anefa ilay Maorisiana sady tsy fantatra izay misy azy. Noho ny antony tsy fantatra sady tsy misy fanazavana rahateo koa dia noroahan’ny orinasa ilay mpiasa voaray vozon’akanjo sy ireo folo lahy mpiara-miasa aminy izay vavolombelony teo anaterahan’ny fitsarana. Io resaka fitoriana io no ao ambadiky ny fandroahana azy ireo nanomboka ny 28 janoary teo raha ny heviny. Tsy hanaiky mora foana ry zareo eo anatrehan’izao fanaparaham-pahefana izao. Ireo sahy miaro ny zon’ny mpiasa Malagasy indray no anaovana didin’ny besandry. Miantso ny mpitondra fanjakana hijery akaiky ity raharaha ity ry zareo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.