Actualités

Fanapahan-kevitra tsy am-piheverana Tsapa tsara izao ny fahabangan’ny Air Force One


  • Alakamisy 16 Septambra 2021

Nomen'ny Filoham-pirenena fiaramanidina manokana nitondra ny Klioban’ny baolina kitra CFFA Andoharanofotsy, izay nihazo an’i Lusaka Zambie omaly alarobia.

Lalao miverina amin’ny fiadiana ny Amboaran'ny CAF na ny "CAF CONFEDERATION CUP" , izay atao amin'ny Alahady 19 Septambra 2021 izao, any Zambie, ny CFFA-Andoharanofotsy, izay ifanandrinany amin'ny "Kabwe Warriors Fc" mpampiatrano. Novahan'ny Filoham-pirenena ny olan'ny CFFA Andoharanofotsy izay hiaro ny voninahim-pirenena, hoy ny vaovao novoizina omaly. Raha nanana olana ny CFFA Andoharanofotsy, izay hany solotenan'i Madagasikara miatrika fifaninanana baolina kitra eo amin'ny sehatra Afrikana isan-tarika eo amin'ny lafiny fiaramanidina sy ny fandehanana any Zambie , noho ny tsy fahafahan'ny mpijery nijery ny lalao mandroso ka nanimba ny kajikajy tamin'ny mety ho fanampiana ny enti-manana hiatrehan'izy ireo ny lalao miverina dia novahan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny olana ka nanome fiaramanidina manokana hitondra ny CFFA any Zambie ny Filoha. Zava-dehibe izany, saingy miharihary ihany koa ny mizana tsindrian’ila. Ireny niaraha-nahita ireny ny ekipam-pirenena Barea taorian’ny lalao nandresen’I Bénin antsika tetsy Mahamasina ny 2 septambra. Mbola notazonina teto ny 4 septambra satria mbola nilain’I Andry Rajoelina hanatrika ny kisehoseho sy ny kifetifetiny. Efa ny alahady 5 septambra maraina vao niala teto, ary tsy nisy resaka fiaramanidina manokana, toy io atao amin’ny CFFA io, na roa andro aza sisa no niomanana tamin’ny lalao. Hireharehana sy hakana doka politika ankehitriny ny hoe: niantoka fiaramanidina nandehanan’ny CFFA. Volan’ny Filoha manokana sa volam-panjakana? Tsara ny fahitana vahaolana, saingy tsy afaka hirehareha amin’izany I Andry Rajoelina. Tsy fandrosoana fa fihemorana no nafitsony, raha hiverenana ny tantara. Nanana ny fiaramanidina Air Force One ny Repoblikan’I Madagasikara talohan’ny fanonganam-panjakana notarihin-dRajoelina ny 2009. Azo ampiasaina amina hamehana toy izao ny fitaovana toy ireny, ary isaky ny misy olana momba ny dian’ny ekipam-pirenena, dia mitamberina hatrany izany.Mariky fiandrianam-pirenena ny fananana fitaovana tahaka ireny. Zary lasa misy endrika filalaovana saim-bahoaka na “stratégie de manipulation de masse” hatrany hoe: namorona olana tamina zavatra tokony handeha ho azy, mitondra vahaolana petatoko avy eo, mba ahazoana tehaka ho Mesia tompon’ny vahaolana. Tsy mba menatra ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT