Actualités

Fanapahan-karama Lasibatra hatramin’ny tsy mpitokona


  • Alatsinainy 23 Jolay 2012

Hagagana ny an’ity renim-pianakaviana mpampianatra any Mahajanga ny sabotsy 21 jolay teo raha tonga nizaha karama volana jolay tany amin’ny banky fa dia niveri-maina.

 Tsy tao ilay karama nantenaina. Gaga izy teo anatrehan’izany, satria izy dia nilaza mazava fa tsy mba anisan’ireo SEMPAMA. Azo hamarinina any amin’ny fanamarinam-pahatongavana miasa na fanamarinam-pahatongavana amin’ny fitokonana ataon’ny SEMPAMA izany hoy izy, ary ny anarany rahateo tsy anisan’ireo 265 nanaovan’ny fanjakana “réquisition”, araka ny fanazavany hatrany. Tsy izy irery no tratr’ity trangan-javatra ity fa maromaro izy ireo. Loharanom-baovao hafa indray kosa anefa no milaza fa nisy fahatarana ny fandefasana ny karaman’ny mpiasam-panjakana, indrindra ireo sehatr’asa nanaovana “réquisition” noho ny fiandrasana ny lisitra voakasin’izany.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT