Actualités

Fanaovana vola sandoka 7 lahy no tratra, 15 taona no zandriny indrindra


  • Talata 07 Septambra 2021

Lehilahy miisa 07 no nosamborin’ny avy ao amin’ny CSP Mahanoro omaly Alatsinainy noho ny fanaovana vola sandoka

. Miparitaka izaitsizy mantsy ny vola sandoka any amin’ny distrikan’i Mahanoro ka nanokatra fanadihadiana ny Polisim-pirenena. Olona tsara sitrapo no nahafantarana fa ao amin’ny fokontany Tanamborozano sy Port Fluvial no misy ireo mpanao vola sandoka ireo. Nitohy hatrany ny fikarohana ka hita ilay toerana fieren’ireo olon-dratsy izay fantatra fa tena fikambanan-jiolahy mihitsy. Omaly tokony ho tamin’ny 06 ora maraina moa no nanomboka ny fisamborana azy ireo izay naharitra ora 3 teo ho eo. Zazalahy kely vao 15 taona monja no zandriny indrindra izay nosamborina noho ny fandraisany anjara tamin’izao raharaha izao. Tamin’ny fisavana ny tranon’izy ireo dia vola 20.000Ar sandoka sy 5.000Ar sandoka mitentina 40.625.000 Ariary ary vato sarobidy tsy tena izy 03 karazany no tra-tehaky ny Polisy. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT