Actualités

Fanaovana kopia sy karapanondro faobe « Tsy misy idiran’ny politika ny fanaovana kopia sy CIN faobe »


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Niteraka resabe teto amintsika tato ho ato ilay fanaovana hetsika kopia faobe tanterahin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Ministeran’ny Ati-tany.

Amin’ny rehetra mantsy dia ho fanenjehana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena hotontosaina amin’ny taona 2023 no anton’izany, indrindra fa ho an’ireo feno 18 taona mbola tsy manana karapanondrom-pirenena ( CIN). Namaly izany ny Ministry ny Fitsarana Rakotozafy Francois omaly ka nambarany fa tsy misy idiran’ny resa-politika velively ity fanomezama kopia faobe mbola tsy manana izany ity. Olona an-tapitrisany mantsy hoy izy no mety ho very zo raha sanatria ka tsy tanteraka izany, indrindra fa ho an’ireo mbola tsy manana kopia. Anisan’ny antony hanomezana tambin-karama ny mpitsara hanao ny asa izany hoy izy. Notsiahiviny mantsy fa mahatratra 1695 ny kaominina tsy maintsy hotetezina sy hiasan’ireto farany amin’ny fanaovana ilay fitsarana mitety vohitra manerana ny Nosy. Miantso ny rehetra mnba tsy ho voafitaka araka izany ny ministra ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Ho an’ireo mpitsara sasany nanaiky naneho ny heviny moa dia nambarany fa tsy tokony hoterena izy ireo. Marobe ihany koa ny zavatra hataonay hoy ny sasany ka tokony hisy ihany ny fandaminana hapetraka na dia resaka zon’olombelona aza no ao anatin’izany fa tsy hatao tery vay manta fotsiny. Miisa 3 tapitrisa moa ireo olona kendrena hahazo kopia mari-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena ao anatin’ity tetikasa ity. Nangonin’i Pati Legende : Ny ministry ny Fitsarana Rakotozafy Francois
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT