Actualités

Fanaovan-gazety sy serasera Nodimandry i Ramanana Indriantiana Jaomaharo


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly alahady 18 Desambra teo amin’ny faha-47 taona Ramanana Indriantiana Jaomaharo,

mpanao gazety fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Doda. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia efa fotoana naharitra izy no narary. Aretina nitarika ny fahasemporana no nahavoa azy, antony nahatonga izao fandaozany tampoka ny tany izao. Raha tsiahivina dia mpanao gazety nikirakira ny vaovao momba ny fanatanjahantena tao amin'ny gazety Le Quotidien tamin'ny fotoan'androny Itompokolahy.Vao tsy ela ihany koa no nananganany ny vondron-tserasera Askizaka, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy izay mbola tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny serasera hatrany. Ny alarobia ho avy izao moa no halevina eny Ambohimalaza ny nofo mangatsiakany. Namela mananontena iray sy kamboty mianadahy Itompokolahy. Mirary fiononana feno ary Mankahery ny fianakavian’i Doda.
Pati
Legende : I Doda fony fahavelony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT