Nodimandry, hoy ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly, i Razafimaharo Marc Rivoson.
Mpanao gazety niasa tao amin'ny radiom-pirenena malagasy na RNM aman-taonany maro izy. Teraka ny 25 febroary 1951 tao Manakambahiny Ambatondrazaka. Mpilaza vaovao isaky ny amin'ny 12ora sy sasany atoandro na “journal parlé” Itompokolahy. Ny razana dia andrasana ao amin'ny toeram-ponenany Lot Prés III A B 33 Andrononobe Analamahitsy. Hiainga ao an-toerana ny Alarobia 28 desambra amin'ny 12 ora antoandro ary hafenina eny amin'ny fasam-pianakaviana Ambohimailala Ilafy izany aorian'ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny FJKM Ambatonakanga. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra, noho izany, isika eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.