Actualités

Fananganana orinasa eto Madagasikara Lohalaharana ireo mpandraharaha Sinoa


  • Talata 12 Jolay 2016

Mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fananganana orinasa eto Madagasikara ireo mpandraharaha Sinoa, hoy ny antontanisan’ny «Economic Development Board of Madagascar».

Sehatra fandraharahana avy amin’ity firenena aziatika ity avokoa mantsy ny 168 amin’ireo 484 orinasa vaovao nitsangana teto amin’ny firenena Malagasy ny taona 2015. Mpampiasa vola frantsay kosa no tompon’ireo orinasa 168 vao niorina tamin’ny taon-dasa. Tsy niova rahateo ny zava-nisy nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2016 ity satria mbola misongadina hatrany ireo mpanambola sinoa, araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM ihany. Ahitana ireo mpandraharaha sinoa daholo moa ireo sehatra samihafa eto amin’ny firenentsika. Goavana indrindra amin’izany ny varotra finday, fitaovana fampiasa an-tokantrano sy fahitalavitra vita avy any Sina. Tsy mionona amin’ny fampahafantarana ireo entana avy any aminy ireo orinasa sinoa fa manondrana vokatra Malagasy toy ny kafe, jirofo, rafia, hazandranomasina sy trondro an-dranomamy ary ny fanangonana voanjo. Tsy latsadanja amin’ireo ny lafiny fandraisam-bahiny sy fizahantany fa indrindra indrindra ny tontolon’ny fanorenana fotodrafitrasa sy ny asa vaventy.


Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT