Fananganana orinasa eto Madagasikara

> Voakasiky ny fahasahiranana koa


  • Talata 27 Aogositra 2013

Tsy diso tokoa ny filazan’ireo manampahaizana ara-toekarena fa telo na efa-taona aorian’ny tsy filaminana vao tsapa ny akon’ny fisavoritahana eo amin’ny lafiny fitantanana ny firenena.

Singa iray voakasik’io krizy io ankehitriny ny tontolon’ny fananganana orinasa eto Madagasikara raha ny tatitra farany navoakan’ny ivontoerana mikirakira ny antontan’isa no asiana resaka. Voalaza fa nihena ho 7.435 ireo orinasa nitsangana nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2013 ity raha nahatratra 11.785 izany nandritra io fe-potoana io ihany koa tamin’ny taon-dasa 2012. Ireo orinasa salantsalany sy an’olon-tokana dia samy nahitana fihenana daholo ny fananganana azy ireo. Niiba 6,9% sy 36,5% ny salan’isan’ireo sokajy roa ireo. Raha ny tsapa eto amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina manokana, ohatra, dia nisy fidinana hatrany amin’ny 33,8% ity sehatry ny fanorenana orinasa ity. Niavaka tamin’ny maro kosa ny fiorenan’ireo orinasa goavana satria dia nitombo 54 izy ireo tamin’ity taona ity raha 11 monja tamin’ny taon-dasa.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT