Niteraka fatiantoka ho an’ny firenena Malagasy ary nanapotika ireo ezaka efa vitan’ny mpitondra fanjakana naongana tamin’ny taona 2009 niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka vahiny ny krizy lavareny ara-politika teto Madagasikara.
Anisan’ny efa dingana nizorantsika, ohatra, ny fitantanana ny sehatry ny fananantany nanomboka tamin’ny taona 2005 saingy nanjavona tao anatin’ny indray mipi-maso araka ny fomba fiteny izany rehefa niala tamin’ny fitondrana ara-dalàna isika 5 taona lasa izay. Folo taona latsaka izay dia tena maodely teo amin’io sehatry ny fitantanana ny fananantany io isika teto Madagasikara, raha ny fanazavana nomen’ireo manampahaizana ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ireo teknisianina Malagasy mahafehy manokana ity lafiny fananantany ity.
Voatery niverina any amin’ny aotra anefa ny lalana handehanantsika ankehitriny satria rava ilay efa politikam-panjakana tamin’izany fitondrana izany izay namolavola paikady momba ity anisan’ny olana goavana itambaran’ny firenena afrikanina ity. Fampatsiahivana ihany no nataon’ny manampahaizana Malagasy iray fa i Madagasikara no firenena voalohany nahazo ny famatsiam-bola avy amin’ny «Millenium Challenge Account» hamahana olana momba ny sehatry ny fananantany tamin’ny taona 2005.
Ankehitriny dia mitodika any amin’ny governemanta vaovao izay hijoro tsy ho ela ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny fandrafetana paikady vaovao hiatrehana ny olana momba ny fananantany eto Madagasikara. Iray amin’ireo teboka miisa 17 hifampidinihan’ity mpamatsy vola mahazatra amin’ny mpitondra malagasy moa izy ity. Andrasana ny asa mivaingana momba azy ity izay tena manahirana ny mpiray tanindrazana tokoa.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.