Actualités

Fananan-tany Hapetraka ny fehezan-dalàna mifehy ny tanim-pokonolona


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Mametraka olana manerana an'i Madagasikara ity resaka tany ity. Midadasika ny

 

 

 

 

tany fa ny tany indrindra no ahitana karazana olana samihafa ka mampikatso toekarena indrindra ny fiveloman` ny tantsaha any ambanivohitra. Tsy mbola misy fanavaozana ny lalàna momba ny fananan-tany fa ny tamin` ny andron` ny fanjanahan-tany ny mbola ampiharina amin`izao fotoana izao. Tsy mahagaga raha tsy ampy ny vokatra ny fambolena eto an-toerana satria tsy manana antoka ny tany novolena hatramin`ny taona maro ny 80% amin`ny mpamboly. Tranga mateti-piseho moa ny fipoitran` izay milaza ho tompon-tany, haka indray iny tany amin’ny tantsaha malagasy teraka sy monina ary mivelona amin`izany. Manoloana izany, nisy ny fivoriana mahakasika ny fanohizana ny paik’ady fametrahana ny fehezan-dalàna momba ny zo fisitrahana ny tanim-pokonolona ary, natrehin’ireo komity teknika voatondro ho amin’izany, ny herinandro lasa teo tao amin` ny Foiben’ny Tahirim- bola Nasionaly ho an’ny Fananan-tany (Fonds National Foncier). Ny tanjona tamin’ny fivoriana dia ny ahafahana mametraka ny fehezan-dalàna mifehy ny tanim-pokonolona.

Marigny A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT