Actualités

Fananan’ny Magro Entana efatra kaontenera nisy naka


  • Alakamisy 23 Jona 2011

Fitaovana samihafa saika hananganana fanaova-mofo na “boulangerie”, sy fitaovana toy ny talatalana fahita amin’ireny tranombarotra Magro ireny no tao anatin’ireto kaontenera ireto.

 .  Barofo sa firaisana tsikombakomba amin’ny mpiasa tao ? Izay avy hatrany no fanontaniana nivoaka teny am-bavan’izay nahita ny nanapoahana ireto kaontenera efatra ireto ny talata 21 jona. Tamina toerana roa teny Ampitatafika teny, izay tsy tokony hisy hahalala afa tsy mpiasa ambony sy izay nametrahana azy no nitobian’izy ireo, noho ny savorovoro nitranga teto tamin’ny 2009 ireny, izay nikendren’ny andian’olona rehefa mety ho fananan’Atoa Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ka nandrobana sy nandorana na koa nanapotehana izay tsy zaka. Lasibatra avokoa, na ny teto an-drenivohitra na ny tany amin’ny Faritra.

Izay tsy rava tamin’ireny 2009 ireny indray dia nitadiavan’ny olona sasany lalana teny anivon’ny tribonaly, mba hamoahana “ordonnance” hakana ny entana. Eny fa hatramin’ny tranon’Atoa Ravalomanana eo Faravohitra aza efa nisy nikendry tao anatin’io paipaika ara-pitsarana io. Trosa, lazaina fa hoe tsy voaloan’ny Magro na Tiko nialoha ny nahamay azy no itondrana ny raharaha eny amin’ny fitsarana dia mitarika mankany amin’ny fanagejana entana na fanaovana “saisie conservatoire”. Amin’ny ankapobeny anefa dia any dia manjavona ny entan’ny Magro na Tiko, ary azo antoka fa tsy mifanalavitra amin’izay ny manjo ireto entana efatra kaontenera nisy naka teny Ampitatafika tamin’ny talata ireto. Mitohy, araka izany, ny fanapotehana amin’ny lafiny rehetra atao an’Atoa Marc Ravalomanana.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT