Lasibatry ny mpandroba ny fananan’Atoa Marc Ravalomanana ao Toamasina, ahitana ny Magro Morafeno sy Tanambao V, ny TOP II sy ny MANA eny amin’ny seranantsambo, ny “Agence Tiko” Bd Augagneur teo aloha, ary ny tranombarotra Roso teo aloha ao Ampasimazava.
Vao maika nirongatra izay taorian’ny nanambaran’ny ankolafy Ravalomanana fa Rtoa Lalao Ravalomanana no kandidany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Fifanojoan-javatra sa misy ifandraisany ireo trangan-javatra ireo? Ny faran’ny herinandro teo dia efa nentina fiarabe sy posy maromaro mihitsy ny entana ho ao Ambalabe, toerana fivarotana fatim-by, izay mahagaga fa misy polisy mihitsy manara-dia, miaro ilay kamiao mitatitra ny entana (vy). Azo antoka fa tsy kisendrasendra io. Ao anatin’izay rehetra izay mantsy dia jerem-potsiny tsy misy miteny noho ireto mpangalatra ireto tsara mpiaro ao Toamasina.
Ny talem-paritry ny varotra izay natao hiaro ny fananan’Atoa Marc Ravalomanana araka ny efa notapahan’izy ireo hatramin’ny taona 2009 koa aza sady tsy miteny no tsy mitory nefa mahita ny raharaha. Efa nisy ihany didim-pitsarana manome alalana ny tompon’ny orinasa hiditra sy handray an-tanana ny fananany saingy tsy voahaja izany, fa dia anaovan’ny sasany didin’ny besandy robaina hatrany. Ireo olon-tsotra mahita sy malahelo ary sorena mijery ny zava-misy koa tsy afa-mihetsika noho ny tahotry ny valifaty sy antsojay mety hanjo azy ireo. Fahasimbana goavana no mahazo ny orinasan’ny fianakaviana Ravalomanana ao Toamasina ankehitriny, koa asa hatramin’ny oviana no hitsaharan’izany ?
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.