Ahiana fa ity taona ity no mety ho ratsy indrindra any atsimon'i Madagasikara noho ny haintany sy ny tsy fanjarian-tsakafo,
hoy ny fanambaran’ny Masoivoho Amerikana tao amin’ny tambajotran-tseraserany omaly 14 jona. Noho izany, ny governemanta Amerikana amin'ny alàlan'ny USAID dia manolotra famatsiam-bola fanampiny mitentina 40 tapitrisa dolara hanampiana ny filana maika ara-tsakafo any atsimo, araka ny fampahafantarana. Hampiasa ity vola ity ny USAID hamatsiana vola ireo tetikasa tantanan’ny mpiara-miombona antoka aminy Programme Alimentaire Mondial UNICEF Madagascar, sy Catholic Relief Services izay mitondra fanampiana ara-tsakafo maika; mitsabo ny tsy fanjarian-tsakafo amin'ny zaza, ny vehivavy bevohoka sy ny tera-bao, manatsara ny fahadiovana, mitondra kojakoja fanampiny sy olona hiasa hiatrika ny vonjy taitra, ary manamboatra fantsakana mba hahazoana rano madio. Vahoaka eo amin’ny 729.000 eo no hisitraka ity fanampiana ara-tsakafo entin’ny tetikasa ity, hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny vehivavy bevohoka 19.800 sy tera-bao ary zaza 63.400, ary koa hanomezana fitsaboana ho an’ny zaza miisa 57.000 tratry ny tsy fahampian-tsakafo antonony na mahery vaika. Hatramin'ny 2015 i Etazonia no mpitondra fanampiana lehibe indrindra ho an’ny any atsimo. 229 tapitrisa dolara mahery no entiny, amin’ny alalan’ny USAID, mamaly ny filàna maikan'ny fianakaviana izay ianjadian’ny hanoanana sy mitondra vahaolana maharitra ho an’ny tsy fanjarian-tsakafo, hoy hatranny ny Amerikana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.