Fanampiana iraisam-pirenena

> Nilatsaka hatrany amin’ny 50% mahery tao anatin’ny 5 taona


  • Alarobia 19 Febroary 2014

Tsy nitsaha-nidina ny fanampiana iraisam-pirenena azon’i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2007 hatramin’ny taona 2012. 894,07 tapitrisa dolara izany ny taona 2007 raha nidina kely ho 842,55 tapitrisa io ny taona 2008.

Taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 kosa dia tena nihena hatrany amin’ny 50% mahery ireo mari-bola nomen’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny satria 443,96 tapitrisa, 470,08 tapitrisa, 408,85 tapitrisa ary 378,69 tapitrisa dolara izy ireo ny taona 2009, 2010, 2011 ary 2012. Ny sampandraharaha frantsay misahana ny fiaraha-miasa ara-kolontsaina moa namoaka ireo tarehimarika ireo tao anatin’ny tatitra farany tamin’ity volana febroary 2014 ity. Mbola hita ao ihany koa fa ny firenena frantsay no voalohany amin’ny fanampiana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana izay nitentina 73,36 tapitrisa dolara. Manaraka azy ao i Etazonia sy i Alemana izay nanolotra 52,39 sy 14,85 tapitrisa dolara isanisany avy. Raha ny fanampiana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena indray dia mitana ny laharana voalohany ny Banky iraisam-pirenena miaraka amin’ny 46,83 tapitrisa dolara. Aoriany ao ny Vondrona eoropeanina 32,24 tapitrisa dolara, ny tahiry iraisam-pirenena 28,2 tapitrisa dolara ary ny Alliance Gavi izay nanome 17,91 tapitrisa dolara. Nitentina 190,05 tapitrisa dolara ireo fanampiana avy amin’ny fiaraha-miasa isam-pirenena raha 188,64 tapitrisa dolara kosa ny fanampiana avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena samihafa. Voalaza ao amin’ity tatitra ity ihany koa fa nisy tamin’ireo firenena mpiara-miasa amin’i Madagasikara hatrizay no nampiato ny fanampiana nataony nanomboka tamin’ny taona 2010 toa an’i Pays-Bas.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT