Actualités

Fanampiana asy fitsaboana ny sembana Tena mbola vitsy ny “Orthoprothésiste” eto Madagasikara


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Nankalazaina voalohany teto amintsika ny 5 novambra teo ny andro iraisampirenena ho an’ny “Orthoprothésiste”. Tsiahivina,

hoy ny fanambaran’ireo misehatra amin’izany, fa izao andro fankalazana izao dia mifandraika amin’ny daty nanorenana ny ISPO na “International Society of Prosthetics and Orthotics” izay azo adika hoe Fivondronana iraisampirenen’ny orthoprotezista tamin’ny 1970. Raha ny eto Madagasikara manokana dia misy ny fikambanana ATOM na “Association des techniciens orthoprothésiste de Madagascar” ary azo adika hoe “Fikambanan’ireo teknisianina ortoprotezista eto Madagasikara”. Niforona tamin’ny 2010 ny ATOM. Ny ATOM dia mpikambana feno eo anivon’ny ISPO sy ny CAPO na « Confédération Africaine des prothésistes et Orthésistes ».
MANAO INONA MARINA ?
Ny ortoprotezista dia teknisiana mpiasan’ny fahasalamana mandray anjara feno amin’ny fanampiana ireo olona manana fahasembanana ara-batana amin’ny alalan’ny fanamboarana fitaovana ho azy ireo dia ny « orthèses » sy ny « prothèses » izany. Raha adika tsotsotra indray ny dikan’ny « orthèse » dia fitaovana iray entiny hanampy ny faritry ny vatana iray tsy afaka ny hanao ny asany feno intsony na hanitsy izany ary ny « prothèse » dia fitaovana iray entina hanoloana ny ratsam-batana izay voatery noboriana noho ny aretina na loza nahazo azy na hatrany am-bohoka. Mbola vitsy ny « orthoprothésiste » eto amintsika raha mitaha amin’ny isan’ny mponina, satria raha ny antontan’isa navoakan’ny OMS dia 15%n’ny vahoaka ao amin’ny firenena iray no sembana izany hoe 3.750.000 isa raha eto amintsika nefa ny «orthoprothesiste» eto amintsika dia 135 isa ary mbola maro amin’ireo no manao ny asa tsy mifanaraka amin’ny fianarana nataony, noho izany. dia mavesatra ny asa satria « Orthoprothésiste » iray misahana olona 27.777, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT