Actualités

Fanampenana ny lalana mihazo ny “Cité du jardin” Vokatry ny fangatahana nataon’ny fikambanan’ny mponina


  • Alakamisy 14 Jolay 2011

Niteraka resabe hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny fanampenana ilay lalana, mifanila indrindra amin’ny toby fiantsonan’ny zotra 163 Anosy, mihazo ny “Cité du jardin”.

 Betsaka ireo nahatsiaro ho sahirana tamin’ny nahatampina ity lalana ity, indrindra fa ireo mpivarotra amoron-dalana. Araka ny fanazavana nentin’ny talen’ny kabinetran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Rabearisoa Alexandre dia vokatry ny fangatahana izay nataon’ny fikambanan’ny mponina ao amin’ity “Cité du jardin” etsy Mahamasina ity izay hita mitombina sy marim-pototra no antony nandraisan’ny Kaominina izao fanapahan-kevitra izao. Ny 15 jona lasa teo no efa tapaka teo anivon’ny Kaominina rehefa avy nodinihina teny anivon’ireo ambaratongam-pahefana rehetra fa hatsangana ny tamboho, izay efa nisy tamin’ny fotoana nitondran-dRazanamasy, Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany fotoana saingy noho ny fisian’ny fetin’ny 26 jona dia voatery nahemotra izany.

Fanelingelenana ny mponina, ny resaka fahadiovana, ny fahaverezan-javatra izay lasa mivadika ho fiarovana ny ain’ireo mponina ao an-toerana raha fehezina no antony nandraisan’ny Kaominina izao fanapahan-kevitra izao, hoy ny Talen’ny kabinetra. Saika mpiasam-panjakana efa misotro ronono avokoa mantsy no monina ao amin’ity “Cité du jardin” ity. Vao maraina amin’ny 04 ora anefa izy ireo dia efa voakotaba ankoatra ny fanelingelenana ataon’ireo mpivarotra amoron-dalana amin’ny andro antoandro sy ny loto apetrak’izy ireo ankoatra ny fahaverezan-javatra toy ny radio-n’ny fiara mipetraka eny amin’ny sisin-dalana… Ankoatra ity asa famefena ny tamboho voalohany ity dia mbola hitohy hatrany izany amin’ireo sisiny telo ambiny sisa saingy hisy kosa ny vavahady amin’ireo tamboho tsirairay avy ireo mba hahafahan’ny mponina mifamezivezy, indrindra raha sanatria misy trangan-javatra miseho. Nambaran’ny tale kabinetra moa fa tafiditra ao anatin’ny vinan’ny PDS-n’Antananarivo Edgard Razafindravahy ny amin’ny mba hananana tanàna madio sy milamina izany rehetra izany.

Pati
sary : Rabearisoa Alexandre, talen’ny kabinetran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT