Actualités

Fanamparam-pahefana Lanonana niafara tamin’ny ady


  • Talata 26 Jolay 2011

Fanamparam-pahefana Lanonana niafara tamin’ny ady

Ny sabotsy hariva lasa teo no nitrangan’izany. Araka ny vaovao azo, dia fanamparam-pahefana no nataon’ireo tompon’ilay trano nofaina tamin’io fotoana io. Nisy mariazy natao mantsy tao amin’ilay toerana. Nandritra izany dia gaga ireo mpanofa satria tsy afaka nifaly ampitoniana satria tsy voahaja ny fifanarahana natao ary voalaza fa tratran’ny antsojay nataon’ireo tompontrano ry zareo. Tsy nahazo nikitika ireo fitaovam-pandihizana sy fandefasana mozika firy mantsy izy ireo. Nanomboka tamin’ny 5ora hariva, dia efa tapaka ny herinaratra. Rehefa nojerena anefa ny teny amin’ny manodidina, dia tsy nahitana izany fahatapahan-jiro izany. Tsy tapitra akory ny ora tokony hifaranan’ny lanonana, dia efa nandroaka azy ireo ny tompon’ilay toerana. Raikitra tamin’izay ny fifamaliana sy ny fifandirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ka namoaka antsy ny zanaky ny tompontrano. Nisy ny fifampikasihan-tanana ka ny iray tamin’ireo olona nasaina no naratra.

 

Rabe

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT