Actualités

Fanamboarana pasipaoro 60.000Ariary ny sarany, vita anatin’ny 48 ora


  • Zoma 26 Jolay 2013

400 ka hatramin'ny 750 isa isan'andro, indrindra amin'ny fotoanan'ny vakansy toy izao, ny antontan-taratasy voarain'ny sampana misahana ny fanaraha-maso ny fidirana sy ny fivoahana ny sisintany, eo anivon'ny ministeran'ny filaminana anatiny, raha araka ny fanazavana azo.

Teratany malagasy ny ankamaroan'izy ireo fa misy koa ireo teratany vahiny. Tato ho ato anefa dia nisy ny feo mandeha fa somary misy famerimberenana olona sy fakana vola amin'ny fomba ankolaka ao amin'ity sampandraharaha iray ity. Nitondra fanazavana ny lehiben'ity sampandraharaha ity, N'Diaye Jean Méambly omaly. Nambarany fa rehefa hanamboatra pasipaoro ny olona iray dia izy tompony ihany no tokony hanatona ny sampandraharaha misahana izany etsy Anosy. Mandalo solosaina roa ihany koa ny taratasy mandritra ny fikarakarana azy ka misy ny fiantsoana ny tompony mba hijery izany mihitsy mialoha ny hahavitany ialana amin'ny fahadisoana mety hitranga.

Na izany aza anefa dia nambaran'ity tompon'andraikitra ity fa indray andro ihany, izany hoe aterina anio maraina dia raisina rahampitso hariva ny fahavitan'ny pasipaoron'ny olona iray ary 60.000 Ar ny sarany. Mahazo tombondahiny anefa ireo olona bevohoka, marary, mitaiza kely, misionera. Ho an'ireo olona izay mitaraina indray kosa fa hampivezivezena lava dia nanambara ity tompon'andraikitra ity fa misy amin'izy ireny no nahazoana taratasy avy any amin'ny ministeran'ny Atitany fa tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara, ankoatra ireo tsy mahalala mitondra ny taratasy fanamarinana amin'ny asany na dia tsy voasoratra ao anatin'ireo karazana taratasy ilaina aza izany. Nanambara moa ity tompon'andraikitra ity fa raha misy olona misoloky milaza ho mahavita pasipaoro haingana ka maka vola ambonin'ity 60.000 Ar dia tokony hampandre azy ireo maika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT