Actualités

Fanamboarana kara-panondro Ny olompirenena no mividy ny plastika famonosana


  • Alakamisy 23 Jona 2022

Efa sady sahiranina hiverina any amin’ny distrika misy ny renin-karatra izany ankehitriny ny olompirenena very karapanondro na hanavao ny karapanondrony no mbola asaina mitady ny plastika

hamonosana ny karatra vaovaony ihany koa rehefa vita. Araka ny fanazavan’ny lasibatr’izany iray tetsy amin’ny fiadidiana ny boriboritany fahatelo etsy Antaninandro dia efa nasaina nidina tany amin’ny tanindrazany izay nanaovany ny karatrany fony izy 18 taona izy izao tafaverina eto amin’ny fiadidiana ny toeram-ponenany ankehitriny izao. Nomena ny tomponandraikitra ny taratasy ilaina rehetra saingy mbola tsy vita teo noho eo fa mbola miandry amin’ny herinandro indray vao vita hono ilay karapanondro vaovao, hoy izy. Fanampin’izay dia hoe lany ny plastika famonosana izany karapanondro vaovao na “duplicata” izany ka dia mila mividy izany any amin’izay ahitany azy ilay olompirenena ary mila mitondra penina ihany koa rehefa miverina haka ilay karatra. Nankaiza izany ny hetra nalohan’ireo olompirenena? Nankaiza ireo vola nampidirina tao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana no hatramina zavatra bitika toy izany avy no hanahiranana ny fiainan’olompirenena? Aiza ny fanamoran’ny mpitondra ny fiainam-bahoaka?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT