Maina ny asa fanamboarana calendrier na ny famantarana ny datin’andro hatreto na
dia vao miandoha aza ny volana janoary taona 2021. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina tranom-pirinty iray eto an-drenivohitra mantsy dia mbola ireo orinasa lehibe ihany hatreto no manao kaomandy. Mbola saika manontany fotsiny kosa ireo fianakaviana maniry ny hametraka ny sariny amin’ny calendrier mba hatao fahatsiarovana amin’ity taona vaovao 2021 ity. Tsy niakatra anefa ny fanamboarana calendrier amin’ny ankapobeny na dia saika miakatra avokoa aza ny vidim-piainana rehetra. Mbola mijanona ho 800 Ar ihany mantsy ny iray amin’ireo manana habe A 3 raha 1400 Ar ny A4. Nomarihin’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ity tranom-pirinty ity moa fa efa tena tsy naharaka ny kaomandina calendrier tamin’ny herin-taona tahaka izao. Ankehitriny anefa mbola mitsitaitaika toy ny 20, 40, ny kaomandy azon’izy ireo na dia tafiditra ao anatin’ny fanomezana tokony hatolotra amin’izao taona vaovao izao aza izy ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.