Actualités

Fanamboarana an’ Andekaleka Mety tsy hisy jiro Antananarivo amin’ny faran’ny herinandro


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Mety tsy hisy jiro Antananarivo sy ny manodidina amin'ny faran'ny herinandro izao noho ny asa fanamboarana ny fantsona lehibe mitahiry rano manodina ny toby mpamokatra ao Andekaleka,

 hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny orinasa JIRAMA, omaly. Tsy vao izao fa saika tato ho ato dia nisesisesy ny fahatapahan-jiro manerana an'Antananarivo ary saika tsy fahatomombanana amin'ireo toby mpamokatra herinaratra foana no ala olana avy amin'ny JIRAMA. Mitohy hatrany etsy andaniny ny fampijaliana ny mpanjifa amin'ny vidin-jiro tsy maintsy aloha sady amin'ny vidiny midangana. Ny zoma izao no vinaniana hanombohan’izay fanamboarana izay, raha ny fanazavana hatrany. Tsy ho voafaritra kosa ny mety ho fahatapahan’ny herinaratra fa andrasana hivoaka amin’ity anio ity fara fahatarany indray, araka izany, ny tetiandro mikasika izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT