Actualités

Fanamboaran-dalana Tsy hisy mandritra ny tetezamita


  • Talata 12 Aprily 2011


Tsy misy asa vaventy azo antenaina mandritra ity taona ity, izany hoe ny vanimpotoan’ny tetezamita noho ny tsy fisian’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Ny fikojakojana ny lalana mahazatra ihany no zakan’ny kitapombolam-panjakana izay ampiasana ny famatsiam-bola FER sy ny ARM. Raha ny nambaran’ny minisitry ny asa vaventy, Zafimbelo Alain dia lalana mirefy 500 km no hanaovana fikojakojana mahazatra amin’ity taona ity izay handaniana 36 miliara ariary. Vola avy amin’ny FER avokoa ireo.

Miandry ny vanimpotoana main-tany anefa vao hanomboka ny fanampenana ireo lalana simba, izany hoe any amin’ny volana mey any ho any, araka ny fanazavan’ny minisitra ihany. Na dia tsy manana famatsiam-bola vahiny aza anefa ny ministera dia vitaina amin’ity taona ity ny fanarenana “entretien périodique” ny RN44 mampitohy an’Ambatondrazaka amin’ny renivohitra. Fampanantenan’i Andry Rajoelina mantsy izy io. Ao anatin’ny fandaharanasan’ity ministeran’ny asa vaventy koa anefa ny fanarenana ny RN43 mampitohy an’i Faratsiho sy Soavinandriana.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT