Raha tsy ny fiaraha-mientan’ny solombavambahoaka Voahangy Raharimanarivo sy ny kaominina Ambavahaditokana, Andranonahoatra ary Itaosy dia tsy nisy nikitika ny lalana eo amin’ny sampana Vinany.
Nanolo-tanana azy ireo tamin’ny fanomezana ny “engins”avy amin’ny orinasa ALMA kosa ny mpanorina ny orinasa TIKO sady filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana. Araka ny fanazavana dia efa im-betsaka no nandefa taratasy tany amin’ny fitondrana foibe ireto kaominina voakasika ireto saingy tsy nahazoana valin-teny. Nanapa-kevitra ny handray andraikitra miaraka amin-Rtoa Depiote voafidy tao amin’ny distrikan’Atsimondrano ary ireo Ben’ny tanàna telo mirahalahy satria efa tena nampiteny ny moana ny haratsian’ny lalana. Ny fitarainan’ny mpamily manginy fotsiny. Nambaran’ireto farany fa raha vehivavy mitondra vohoka no nentina nisafo tao amin’ny Hopitaly Itaosy dia efa mila nihetsi-jaza mandalo amin’io lalana io. Ireo mponina eny amin’ny manodidina an’ireo kaominina telo kosa mahatsapa fa hamaha ny olan’ny fitohanana izao asa izao. Mety haharitra andro maromaro ny asa satria hatao tara amin’ilay kalitao tena azo antoka ny lalana, araka ny fanazavan’ny teknisianina.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.