Actualités

Fanamboaran-dalana ao Ambohitrimanjaka Vinaniana handaniana maherin’ny 40 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Anaty fampidiran-drano ahafahana manondraka ny tanimbary hanaovana fanetsana sy miazona ilay tetiandrom-pambolena vary aloha izao ny kaominin’ambanivohitr’Ambohitrimanjaka, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana,

Ihajason Randriamanalintsoa. Tahaka ny vina rehetra dia ho tanterahana amin’io oktobra sy novambra io ny fanatsarana ny lalana rehetra manodidina an’Ambohitrimanjaka miala eto amin’ny kaominina, hoy izy. Kitapom-bolan’ny kaominina madiodio no hanaovana izany, izany hoe miainga amin’ireo haba sy hetra isan-karazany. Ny zava-dehibe dia hoe misy ny rano fanetsana saingy ny olana tamin’ity taona ity dia ny tsy fisian’ny rano any amin’ny reniranon’i Sisaony. Ny alarobia teo izahay nijery sy nanara-maso ny lohan’ny renirano amin’iny moron’i Sisaony iny mihitsy. Iny moa mampiditra ny rano avy any amin’ny ilany atsimo sy andrefana amin’ny resaka fanetsana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka, izay marihina foana hoe 2100 ha. Saika ny antsasak’izay dia tokony tondrahan’ny reniranon’i Sisaony raha toa ka an’ny reniranon’Ikopa ny atsasany. Ara-dalana ny fampidiran-drano any Ikopa saingy tsy misy rano hampidirina kosa ao Sisaony fa ny fikojakojana sy fanarenana ny lakan-drano sy fandraisan-drano na taboaka dia efa nandaniana vola tsy toko tsy forohana izany hahatsara fampidiran-drano. Ny rano ampidirina amin’ny ilany atsimo mbola tsy misy ka mbola misy izany tanimbary maina tanteraka amin’izao fotoana izao. Efa vita moa izay fa ny fanamboarana ny lalana izany izao no vinaniana handaniana vola hatrany amin’ny maherin’ny 40 tapitrisa Ariary any, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT