Actualités

Fanambaran’ny Jly Rabenja Charles Sonia tsy mitovy, hoy ny jly Rakotoarimasy


  • Zoma 15 Aprily 2011


Mailaka mihitsy ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien, minisitry ny foloalindahy, omaly nilaza fa tsy mitovy ny sonian’ny jeneraly Rabenja Charles fony izy tompon’andraikitra teo anivon’ny Tafika sy ilay sonia tao amin’ilay fanambarana navoakany, amin’ny anaran’ireo jeneraly misotro ronono. Nilaza ihany koa izy fa any ivelany ity jeneraly misotro ronono ity amin’izao fotoana izao. Mikasika ilay fanambarana nataon’i Monja Roindefo indray dia niaiky ny minisitry ny Foloalindahy omaly raha nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Betongolo fa nisy ilay “message radio” ary tsy fanajana ny fitsipi-pifehezana miaramila no nahatonga ilay izy nivoaka ho fantatry ny besinimaro. Nilaza ny hanamafy ny fanafenana ny tsiambaratelo eo anivon’ny tafika izy vokatr’iny fanambarana iny. Ilay fanambarana voalaza fa nataon’ny Cosofam na ny vondron’ny manamboninahitra lefitra dia tsy nisy izany raha ny tena marina, hoy ny jeneraly Rakotoarimasy. Ho hita eo ny tohiny.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT