Actualités

Fanambaram-pananana Tokony hatao isan-taona ?


  • Alatsinainy 09 Mey 2016

Miteraka adihevitra eo amin’ny HCC sy ny Bianco ny fifanoherana misy eo amin’ny lalàna roa manankery eto amintsika mikasika ny fanambaram-pananana ho an’ireo olom-panjakana ambony.

 

An-daniny, ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara nihatra nanomboka ny taona 2004 mitaky ny fanaovana fanambaram-pananana ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana any amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly. An-kilany kosa ny andininy faha-41 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV milaza fa eny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no tsy maintsy manao filazam-pananana ny filohan’ny Repoblika, ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, parlemantera loholona sy depiote ary ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mialoha ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Teboka iray tsy mampitovy fijery ireo rafi-panjakana roa ireo ihany koa moa ny vanim-potoana fanatanterahana ny fanambaram-pananana ho an’ireo mpitondra fanjakana isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. Takiana any amin’ny fiandohan’ny fe-potoana fiasana fotsiny mantsy izy io, araka ny voalazan’ny Lalàna fototra tamin’ny taona 2010. Tokony hatao isan-taona kosa anefa ny fampahafantarana ny fiovaovan’ny fananan’ireo manampahefana, raha ny voarakitra ao amin’ny lalàna misahana ny ady amin’ny kolikoly ny taona 2004.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT