Actualités

Fanambaram-pananana Manara-maso akaiky ny vahoaka


  • Alatsinainy 04 Aprily 2011

Miteraka resabe mandraka ankehitriny ilay tsindrim-peo manokana nataon’i Andry Rajoelina amin’ny hanaovan’ireo minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta Vital vao notendrena ny sabotsy 26 martsa teo, fanambaram-pananana.

Tsy eto an-drenivohitra ihany io resabe io fa hatrany amin’ny Faritra, àry maro no velom-panontaniana hoe : maninona no tsy noterena hanao fanambaram-pananana ireo minisitra rehetra tao anatin’izay roa taona nisian’ny Fahefana avon’ny tetezamita izay, nefa koa nanjakan’ny gaboraraka sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Ao Tolagnaro dia anisan’ny miteraka resabe ny fisian’ny trano misy rihana telo ao Esokake. Araka ny fantatra dia minisitra vao notendrena ao anatin’ny governemanta Vital ankehitriny no tompony. Fony izy io lehibena servisim-panjakana tany an-toerana no nanorenana ilay trano, izay efa saika narodana tamin’ny fitondrana Ravalomanana noho izy io miorina amina tanim-panjakana, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Voaongana tampoka moa ilay fitondrana. Mitohy hatrany koa ny asa fanorenana, izay an-dalam-pamitana amin’izao fotoana. Eo anatrehan’ity resaka fanambaram-pananana ity dia manara-maso akaiky azy ity ny any Tolagnaro raha ho anisan’ny lisitra hanaovana fanambarana ilay trano.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT