Actualités

Fanambakana mpanjifa Tratra Rafifidy sy Patata mpanao saribao hosoka


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Lafo dia lafo ny gonin-tsaribao amin’izao eny an-tsena. Misy mahatratra 40.000 Ar izany indrindra taorian’ny niakaran’ny vidin-tsolika no mankaty.

Tsy vitsy araka izany ireo mitady hevitra hahafahana misoloky toy ny tranga niseho tao Ambohimahasoa ka nampitaraina mpanjifa maro. Saika fenoin’ireo mpivarotra hoditra pin mantsy ny gony mba hampavesatra izany. Ramatoa roa hatreto no efa nosamborin’ny polisim-pirenena. Patata sy Ralifidy no anaran’izy ireo izay samy mipetraka ao Ambovolava Ialatsara Ambohimahasoa avokoa. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia ampahan-telon’ny gony monja no mba saribao hataon’izy ireo ao anaty gony fa ny ankoatra izay dia hoditra pin avokoa. Mbola mana-namana izy ireo hoy hatrany ny loharanom-baovao azo ka tokony samy ho mailo ireo mpividy saribao any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Mety hiova toerana indray mantsy izy ireny rehefa tratra ny namany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ireo hoditra pin ao anatin’ilay saribao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT