Actualités

Fanalefahan-tsazin’ny Filoha 2902 afaka hivoaka ny fonja avy hatrany


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Hanome fanalefahan-tsazy faobe ny filoham-pirenena noho ny faha-62 taonan'ny fitsingerenan'ny niverenan'ny fahaleovantenan'i madagasikara,

hoy ny fampitam-baovaon’ny Fiadidian’ny Repoblika omaly 26 jona takariva. Nandray fanapahan-kevitra hanome fanalefahan-tsazy faobe ny Filohan'ny Repoblika araka ny didim-panjakana 2022-957. Miisa 16 165 ireo voafonja efa voatsara manefa ny saziny manerana an'i Madagasikara. 11 316 amin’izy ireo no hahazo fanalefahan-tsazy avy amin'ny Filoham-pirenena. 2902 ny isan’ireo voafonja ho afaka hivoaka avy hatrany noho ity fanapahan-kevitra noraisin'ny Filoham-pirenena ity. Tsy voakasiky ny fampiharana izany fanalefahan-tsazy faobe izany kosa anefa ireo olona voaheloka amina sazy tsy ahazoana fahalalahana toy ny vono olona sy ny vono olona nomanina, ireo heloka mamoafady, ny fanodikodinam-bolam-panjakàna, ireo heloka rehetra voalaza ary sazian'ny lalàna famaizana mifandraika amin'ny raharaha andramena sy ny hazo mainty, ary ireo heloka momba ny famotsiam-bola. Tsy voakasik'izany ihany koa ireo olona voatazona vonjimaika any am-ponja sy ireo voafonja na voasazy izay nanao fampakarana. Ny fanalefahan-tsazy dia fahefana an'ny Filohan'ny Repoblika manokana araka ny voasoratra ao amin'ny Lalàmpanorenana ary ampihariny amin'ny fotoanan'ny fety toy fankalazana ny fetim-pirenena. Ity fanalefahan-tsazy faobe ity dia tafiditra ao anatin'ny politikan'ny Fanjakana Malagasy amin'ny fiarovana ny Zon'olombelona sy fanenana ny isan'ireo voafonja mba hifanaraka amin'ny fetrisa afaka raisina amin'ireo fonja manerana ny Nosy, hoy ny fanamafisana tao anatin’ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT