Actualités

Fanalana ny Tale Jeneralin’ny APMF Hiditra amin’ny dingana ambony kokoa ny mpiasa


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Mihamafy ny fitakian’ny SYPAMM (SYndicat du Personnel de l’Administration Maritime de Madagascar) mitaky ny fanesorana ny Tale Jeneralin’ny APMF (Agence Portuaire, Maritime et Fluviale) dia ny Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenain. T

ondroin’izy ireo ho nanao kolikoly avo lenta tamin’ny sehatra maro. Manitrikitrika hatrany ireo mpiasa tamin’ny alalan’ny Filohan’ny SYPAMM Razafitsiala Velomanana fa mbola Tale Jeneralin’ny CFIM (CFIM (Centre de Fusion d’Information Maritimes) io Tale Jeneraly io, dia efa nisy fitantanana tsy nilamina. Izy no nisintona ny APMF ho any, efa tamin’izany no nanaovany “piratage” ny APMF, hoy ny sendika. “Misy loza mitatao, misy tetikasa momba ny antoka ho an’ny sambo eny an-dRanomasina, misy resaka hafahafa momba ny “balise” na fitaovana natao hanaraha-maso ny misy ny sambo, voalaza fa fanomezana kanefa misy sarany 25 tapitrisa dolara no voalaza fa ampandoavina ny Fanjakana Malagasy”, hoy hatrany ny sendika. Lazaina, hoy izy ireo, fa fanomezana kanefa inona no nandrisika azy haka orinasa avy any ivelany hanao izany? Tahaka izany ihany koa ny fikasana hanangana fitantanana mahaleotena ny seranan-tsambo sasany, izay ambaran’ny mpiasa fa famonoana ny APMF. Mihamafy noho izany ny fitakiana ny fanesorana ny Tale Jeneralin’ny APMF. Milaza hanao fivoriam-be izay hiantsoana ny solontenan’ny mpiasa avy any amin’ny faritra ny SYPAMM, ka raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, hiditra amin’ny dingana ambony kokoa ny mpiasan’ny APMF, hoy ny fanambarana.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT