Mahatsiaro ho sahirana ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanalana ireo mpatory an-dalana eto an-drenivohitra.
Izay esorina anio mantsy miverina maka ny toerany indray afaka rahampitso dia tahaka izay hatrany no iainan’ireo tompon’andraikitra. Ny antony dia misy amin’ireo mpatory an-dalana no mitaraina ho misy manolana ho an’ireo nafindra tetsy amin’ny Mad Cap Isotry raha tsy tamana eny Anosizato ambadiky ny tobim-pivarotan-tsolika toerana vaovao namindrana azy ihany koa ny sasany noho ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa handraisana azy ireo. Na izany aza, mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny kaominina. Ny Boriborintany fahefatra indray no nanohy izany tamin’ny alarobia alina ka fianakaviana miisa efatra no nalana teny Anosy, monina ao ambadiky ny orinasa Colas. Ireo ekipa sosialin’ny BMH ahitana ekipa enina misy lehilahy enina avy no nanatanteraka ny asa niaraka tamin’ireo polisy monisipaly miisa 13. Nafindra avy hatrany eny Anosizato izy ireo, hetsika izay efa nanomboka ny 26 jona lasa teo. Tanjona ny hanala ireo trano plastika be dia be miorina eto an-drenivohitra hanomezana endrika ny tanàna. Eo ihany koa ny mampivoatra ny fiainan’ireo mpatory an-dalana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Fianakaviana miisa 14 moa no efa nafindra toerana nanomboka ny volana febroary lasa teo teto an-drenivohitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.