Actualités

Fanakorontanana teny Analamahitsy Tovolahy 10 no voasambotra


  • Alarobia 15 Jona 2016

Andian-jiolahy sy mpanendaka miisa folo no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahavalo etsy Analamahitsy ny alahady 12 jona lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, teny Analamahitsy ihany.

 

Nahazo antso ny polisy fa misy andian-jatovo manendaka sy manimba entan’olona eny Analamahitsy  akaikin’ny Coliseum Antsonjombe. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo  ka lehilahy miisa folo no voasambotra teo am-panantanterahana ny asa ratsiny. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahatrarana Basy P.A iray, antsy iray ary fonosana rongony miisa 15. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo dia niaiky izy rehetra fa tena mpanendaka sy mpampihorohoro ny mponina eny amin’iny faritra Analamahitsy iny. Ambanany basy sy antsy ireo olona robainy. Miditra any anaty taksibe mihitsy ry zareo ka ambanany basy ilay resevera dia alain’izy ireo ny vola. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa amin’ny  fotoana firavan’ny mpiasa iny, ka misy fitohanan’ny fifamoivoizana eny an-toerana no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Nisy fiarana teratany vahiny iray izay norobain’ireo jiolahy rehefa nambanany basy ny mpamiliny ka nalain’izy ireo avokoa ny zavatra sarobidy tao anatin’ilay fiara. Marihana fa alohan’ny anaovan’ireto olon-dratsy ireto ny asany dia mifoka rongony izy ireo. Maro ny fitarainana ataon’ny mponina eny Analamahitsy noho ny afitsok’ireto andian-jiolahy ireto. 16 ka hatramin’ny 22 taona izy ireo ka valo no tsy ampy taona. Natolotra ny fampanoavana omaly talata izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT